Isaiah 45:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO amin’ny Voahosony, dia i Kirosy izay notantanako tamin’ny tanany havanana mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehikibon’ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh, amin’ilay voahosony, amin’i Sirosy, izay notantanako tamin’ny tanany havanana, mba handavo ny firenena rehetra eo anatrehany, sy hamaha ny fehikibon’ireo mpanjaka, ary hamoha ny varavarana eo anoloany, mba tsy ho voasakana tsy hiditra amin’ireny izy:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no lazain’ny TOMPO amin’ilay nohosorany, dia i Kirôsa: «Tohanako ianao mba handresy ny firenen-kafa sy hanaisotra ny fahefàn’ny mpanjaka ka hivoha eo anatrehanao ireo vavahadin’ny tanàna nihidy.
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah amin'ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin'ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon'ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO amin’ny Voahosony, dia i Kirosy izay notantanako tamin’ny tanany havanana mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehikibon’ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:
malagasy