Isaiah 45:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izaho no nanaitra azy io tamin’ny fahamarinana ary haravoko avokoa ny lalany rehetra; izy no hanangana ny tanànako ary havelany handeha ny oloko voababo, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izaho no nanangana azy io, tamin’ny fahamarinako, ka mandravona ny lalany rehetra; Izy no hanangana ny tanànako indray, sy hampody ny oloko voababo, tsy amin’avotra na fanatitra,» hoy i Iavehn’ny tafika.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izaho koa no nampipoitra io lehilahy io mba hitondra fanafahana ary Izaho no hanitsy ny lalany rehetra. Izy no hanangana indray an’i Jerosalema tanànako sy handefa ny oloko izay babo, nefa tsy hampandoa vola na tamby, hoy aho TOMPOn’izao rehetra izao.»
Malagasy Bible 1865
Izaho no nanaitra azy io tamin'ny fahamarinana, ary ny lalany rehetra dia haravoko avokoa; izy no hanao ny tanànako, ary ny oloko voababo dia halefany, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Jehovah, Tompon'ny maro.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izaho no nanaitra azy io tamin’ny fahamarinana ary haravoko avokoa ny lalany rehetra; izy no hanangana ny tanànako ary havelany handeha ny oloko voababo, nefa tsy amim-bola amin-karena, hoy Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao.
malagasy