Isaiah 45:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Ny vokatry ny fisasaran’i Ejipta sy ny tombom-barotr’i Kosy sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, dia hafindra ao aminao ka ho anao. Dia hanaraka ao aoriananao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka eo anatrehanao sady hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy, zava-poana ireo andriamanitra tsy izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: «Ny vokatra azon’i Ejipta, ny tombony azon’i Etiôpia, sy ny Sabeanina olona lava tsanganana, dia samy ho tonga ao aminao sy ho anao, fa izy ireo dia hanaraka anao; ho tonga am-patorana sy hiankohoka eo anatrehanao, ary hifompona aminao, hanao hoe: Tsy misy Andriamanitra afa-tsy ato aminao, ka tsy misy hafa. Tsy misy Andriamanitra hafa iray akory!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao, ry vahoaka Israely, no lazain’ny TOMPO aminao: Ny vokatry ny asan’ny Ejiptianina, ny tombom-barotry ny Etiôpianina sy ny an’ireo olona ranjanana avy any Seba dia handalo ao aminao avokoa, ka ho lasanao. Voafatotra ireny olona ireny no hanaraka anao ary hiankohoka handady eo anatrehanao sady hivavabavaka hifona aminao hoe: «Ato aminao tokoa tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy irery.»
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran'i Egypta sy ny tombom-barotr'i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Ny vokatry ny fisasaran’i Ejipta sy ny tombom-barotr’i Kosy sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, dia hafindra ao aminao ka ho anao. Dia hanaraka ao aoriananao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka eo anatrehanao sady hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra ary tsy misy afa-tsy Izy, zava-poana ireo andriamanitra tsy izy!
malagasy