Isaiah 45:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra izay namolavola ny tany ka nahavita sy nampiorina azy, tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no nahariany azy, fa novolavolainy mba honenana: Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa izao no lazain’i Iaveh, Izay nahary ny lanitra, Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany, sy nahavita ary nampiorina azy, ka tsy nataony zava-mifanjevo foana, fa nataony fonenana: «Izaho no Iaveh, ary tsy misy hafa!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO no nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra namorona ny tany ka namolavola sy nanamafy azy, nefa tsy nahary azy ho foana fa nanao azy mba honenana. Io Tompo io dia indro milaza hoe: «Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa.»
Malagasy Bible 1865
Fa izao no lazain'i Jehovah, Izay nahary ny lanitra (Izy no Andriamanitra) sady namorona ny tany sy nahavita azy (Izy no nandamina azy; tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no namoronany azy, fa nataony honenana): Izaho no Jehovah, ary tsy misy hafa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izao no lazain’NY TOMPO, izay nahary ny lanitra, Izy no Andriamanitra izay namolavola ny tany ka nahavita sy nampiorina azy, tsy ho tany tsy misy endrika tsy akory no nahariany azy, fa novolavolainy mba honenana: Izaho no TOMPO, ary tsy misy hafa.
malagasy