Isaiah 45:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy tao amin’ny mangingina no nitenenako, na tao amin’ny toerana maizina amin’ny tany. Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakoba aho hoe: Tadiavo any amin’izay tsy misy endrika Aho! Izaho TOMPO no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy niteny tao amin’ny mangingina Aho, tao amin’ny toerana maizimaizina amin’ny tany. Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakôba Aho nanao hoe: Aoka hitady foana anie ianareo! Fa izaho Iaveh dia milaza ny marina, manambara ny fahamarinana.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
An-karihary no nitenenako fa tsy tao amin’ny toerana maizimaizina; tsy nampirisihiko ny taranak’i Jakôba hitady Ahy eo amin’ny toeram-poana. TOMPO Aho, ka ny marina no lazaiko ary ny mahitsy no ambarako!
Malagasy Bible 1865
Tsy tao amin'ny mangingina, dia tao amin'ny fitoera-maizina amin'ny tany no nitenenako; Izaho tsy niantso ny taranak'i Jakoba hitady Ahy foana; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy tao amin’ny mangingina no nitenenako, na tao amin’ny toerana maizina amin’ny tany. Tsy nilaza tamin’ny taranak’i Jakoba aho hoe: Tadiavo any amin’izay tsy misy endrika Aho! Izaho TOMPO no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.
malagasy