Isaiah 45:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ambarao ka asehoy mazava! Eny, aoka hiara-misaina izy ireo! Iza moa no nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no nilaza izany hatramin’ny fahiny? Tsy Izaho TOMPO va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Antsoy izy ireo; asaovy manatona izy; ary aoka hiara-misaina avokoa izy! Iza no efa nilaza izany zavatra izany hatramin’ny voalohany, sy manambara izany hatramin’ny ela? Tsy izaho Iaveh va? Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no Andriamanitra marina, ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manaova fanambaràna, ary ento ny porofo, manaova fikaonan-doha miaraka ianareo! Iza no nampahalala hatry ny ela izay mitranga ankehitriny? Iza no nanambara izany mialoha? Moa tsy Izaho TOMPO va? Koa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no hany Andriamanitra marina sy mamonjy.
Malagasy Bible 1865
Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin'ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ambarao ka asehoy mazava! Eny, aoka hiara-misaina izy ireo! Iza moa no nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no nilaza izany hatramin’ny fahiny? Tsy Izaho TOMPO va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; eny, tsy misy afa-tsy Izaho.
malagasy