Isaiah 45:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba hahafantarana hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no TOMPO ary tsy misy hafa,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
mba hahafantaran’ny olona, hatramin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany fa tsy misy na inona na inona afa-tsy Izaho!» Izaho no Iaveh ary tsy misy hafa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
mba hahafantarana eran-tany hatrany atsinanana ka hatrany andrefana fa ankoatra ny tenako dia zava-poana. Izaho no TOMPO fa tsy misy hafa.
Malagasy Bible 1865
Mba hahafantarana hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatrany amin'ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba hahafantarana hatrany amin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatrany amin’ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no TOMPO ary tsy misy hafa,
malagasy
Mba hahafantarana hatrany amin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatrany amin'ny filentehany fa tsy misy afa-tsy Izaho: Izaho no Jehovah, fa tsy misy hafa,