Isaiah 45:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka ny fahamarinana! Aoka ny tany hisokatra mba ho vokatra avy amin’ireo ny famonjena, aoka hitsimoka miaraka amin’izay ny fahamarinana. Izaho TOMPO no efa nahatonga izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony; ary aoka ny rahona handatsaka ny fahamarinana toy ny ranonorana! Aoka ny tany hisokatra, hahavokatra ny famonjena, ka hampitsimoka ny fahamarinana, miaraka amin’izany! Izaho Iaveh no mahary ireo zavatra ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka ny lanitra handrotsaka ando avy any ambony ary aoka ny rahona handatsaka rariny! Aoka hisokatra ny tany hampivelatra ny famonjena sy hampitsimoka ny fahamarinana! Izaho TOMPO no nahary io lehilahy io.
Malagasy Bible 1865
Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka fahamarinana; Aoka ny tany hisosatra, Ary aoka ho vokatra avy amin'ireo ny famonjena; Ary aoka hitsimoka miaraka amin'izay ny fahamarinana. Izaho Jehovah no efa nahatonga izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manateteva avy any ambony, ry lanitra, ary aoka ny habakabaka hampilatsaka ny fahamarinana! Aoka ny tany hisokatra mba ho vokatra avy amin’ireo ny famonjena, aoka hitsimoka miaraka amin’izay ny fahamarinana. Izaho TOMPO no efa nahatonga izany.
malagasy