Isaiah 46:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mangozohozo i Bela, miraika i Nebo; ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; ianareo no tokony hitondra izany nefa novesaranareo azy ka tonga enta-mavesatra entin’ny biby reraka!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mirodana i Bela, miletsy i Nebô; ataingina eo ambony biby, eo ambony biby mpitondra entana ny sariny. Ireo sampy izay nentinao dia ataingina toy ny entana mavesatra, eo ambony biby sasatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nihareraka i Bela, niletsy i Nebao. Napetraka teo ambony biby mpitondra entana ny sarivongan’ireo andriamanitr’i Babilôna ireo; izay filanja tamin’ny laharam-pihobiana dia toy ny enta-mifatratra no fitondra azy, ka mavesatra amin’ireto biby efa reraka.
Malagasy Bible 1865
Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin'ireo biby reraka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mangozohozo i Bela, miraika i Nebo; ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; ianareo no tokony hitondra izany nefa novesaranareo azy ka tonga enta-mavesatra entin’ny biby reraka!
malagasy
[Ny fahatsinontsinon'ny sampin'i Babylona, sy fanomezan-toky ny Isiraely hifikitra amin'i Jehovah, ary ny hery sy ny fahalalan'i Jehovah] Mangozohozo Bela, efa miraika Nebo, ny sampiny dia nampitondraina ny biby folahina sy ny biby fiompy; Ny zavatra fitondranareo dia asampy ka tonga enta-mavesatra entin'ireo biby reraka.