Isaiah 46:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
izay manambara hatramin’ny voalohany ny zavatra ho avy any aoriana, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory. Ilay miteny hoe: Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Andriamanitra Aho, ary tsy misy mitovy amiko, Izaho no manambara ny farany, hatramin’ny voalohany, sy ny mbola tsy eo akory, hatrarỳ aloha ela; Izaho izay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hoefaiko ny sitrapoko rehetra;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa hatrany am-piandohana no nilazako ny zavatra hitranga atỳ aoriana; ary efa hatry ny ela be no nilazako ny zavatra tsy mbola niseho. Hoy Aho hoe: «Ny fikasàko, dia ho tanteraka hatrany; ary izay rehetra sitrako dia hataoko.»
Malagasy Bible 1865
Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
izay manambara hatramin’ny voalohany ny zavatra ho avy any aoriana, ary nanambara hatramin’ny ela izay tsy mbola natao akory. Ilay miteny hoe: Ho to ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra.
malagasy
Izay manambara ny farany hatramin'ny voalohany, ary nanambara hatramin'ny ela izay tsy mbola natao akory, dia ilay manao hoe: Ho tò ny fikasako, ary hefaiko ny sitrapoko rehetra,