Isaiah 46:11 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miantso vorona mpihaza avy any atsinanana Aho, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako. Sady niteny izany Aho no mahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no mahefa azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay miantso ilay voromahery avy any Atsinanana, dia ilay lehilahy araka ny hevitro avy any an-tany lavitra. Efa niteny Aho, ka hanatanteraka! Efa nikasa Aho, ka hanefa izany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Toy ny vorona mpihaza avy any atsinanana, avy any an-tany lavitra any, no niantsoako ilay lehilahy izay hanatanteraka ny fikasàko. Fikasàna noteneniko izany sady hotanterahiko, fikasana novolavolaiko sady hotontosaiko.
Malagasy Bible 1865
Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miantso vorona mpihaza avy any atsinanana Aho, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako. Sady niteny izany Aho no mahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no mahefa azy.
malagasy
Izay miantso vorona mpihaza avy any atsinanana, dia lehilahy avy any an-tany lavitra hahefa ny fikasako; sady efa niteny izany Aho no hahatanteraka azy koa, sady nikasa Aho no hahefa azy.