Isaiah 46:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hampanatoniko ny fahamarinako ka tsy ho lavitra intsony; ary tsy hitaredretra ny famonjeko. Fa hametraka famonjena ao Ziona Aho ary ny voninahitro ho an’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ampanakaikeziko ny fahamarinako, ka tsy lavitra izy; ary ny famonjeko tsy ho ela; hanome famonjena an’i Siôna Aho, sy ny voninahitro ho an’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hampanatoniko ny fanafahako fa tsy ho lavitra intsony. Tsy hitaraiky intsony ny famonjena, fa Izaho no hanome azy ao Tsiôna; eny, zavatra mamirapiratra no homeko an’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hampanatoniko ny fahamarinako ka tsy ho lavitra intsony; ary tsy hitaredretra ny famonjeko. Fa hametraka famonjena ao Ziona* Aho ary ny voninahitro ho an’ny Israely.
malagasy
Hampanatoniko ny fahamarinako, ka tsy ho lavitra intsony; ary ny famonjeko tsy hitaredretra; fa hametraka famonjena ao Ziona Aho sy ny voninahitro ho an'ny Isiraely.