Isaiah 46:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihainoa Ahy, ry taranak’i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ny taranak’Israely, ianareo izay noentina hatrany an-kibo sy notrotroina hatramin’ny vao teraka:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mihainoa ahy, ry taranak’i Jakôba, mbaminareo sisa rehetra amin’ny taranak’i Israely; ianareo izay nataoko an-tsangory hatry ny fony vao teraka, nentiko hatrany an-kibon-dreninareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihainoa Ahy TOMPO, ry taranak’i Jakôba, dia ianareo rehetra sisa velona amin’ny taranak’i Israely, ianareo izay nokarakaraiko hatrany am-bohoka sy notrotroiko raha vao teraka.
Malagasy Bible 1865
Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihainoa Ahy, ry taranak’i Jakoba sy izay sisa rehetra amin’ny taranak’Israely, ianareo izay noentina hatrany an-kibo sy notrotroina hatramin’ny vao teraka:
malagasy
Mihainoa Ahy, ry taranak'i Jakoba sy izay sisa rehetra amin'ny taranak'Isiraely, izay nobabena hatrany an-kibo sy nentina hatrany am-bohoka: