Isaiah 46:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mandraraka volamena avy ao an-kitapo izy sady mandanja volafotsy amin’ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra hiankohofany sy hivavahany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izy ireo dia maka volamena ao an-kitapony, mandanja volafotsy amin’ny mizàna, ary manakarama mpanao anidina, hanao andriamanitra amin’izany, dia miankohoka sy mivavaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Misy olona mandanilany foana ny volany; mandanja volamena sy volafotsy amin’ny mizana izy, dia manarama olona mpanefy firavaka mba hamboatra ireny ho andriamanitra izay hivavahany sady hiankohofany tokoa.
Malagasy Bible 1865
Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mandraraka volamena avy ao an-kitapo izy sady mandanja volafotsy amin’ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra hiankohofany sy hivavahany.
malagasy
Izay mandraraka volamena avy ao an-kitapo sy mandania volafotsy amin'ny mizana dia manakarama mpanefy volamena mba hanao izany ho andriamanitra, hiankohofany sy hivavahany.