Isaiah 46:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia batainy iny ka entiny eny an-tsorony ary apetrany eo amin’ny fitoerany. Tsy mahay miala eo amin’ny fitoerany iny! Na dia misy mitaraina aminy aza dia tsy mahay mamaly izy na mahavonjy azy amin’ny fahoriany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Lanjainy io, tohanany, dia lasa izy ireo mametraka azy eo amin’ny fitoerany; ka mitsatoka eo, tsy mihetsika amin’ny fitoerany izy. Na dia misy miantso azy aza tsy mamaly izy, na mahavonjy olona ho afaka amin’ny fahoriany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izy ireo ihany no mibata ny andriamaniny sy mitondra azy eny an-tsoroka sady mametraka azy eo amin’ny toerany, dia mijanona eo iny fa tsy mahahetsika. Raha iantsoana vonjy izy, dia tsy mamaly sady tsy mahavonjy amin’ny fahoriana.
Malagasy Bible 1865
Dia betainy ho eny an-tsorony iny ka entiny ary apetrany eo amin'ny fitoerany iny, ka dia mitoetra eo; Tsy mahay miala eo amin'ny fitoerany iny; ary na dia misy mitaraina aminy aza, dia tsy mahay mamaly izy, na mahavonjy azy amin'ny fahoriany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia batainy iny ka entiny eny an-tsorony ary apetrany eo amin’ny fitoerany. Tsy mahay miala eo amin’ny fitoerany iny! Na dia misy mitaraina aminy aza dia tsy mahay mamaly izy na mahavonjy azy amin’ny fahoriany.
malagasy