Isaiah 47:10 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa nitoky tamin’ny faharatsianao ianao ka niteny hoe: Tsy misy mahita ahy! Nampivily anao ny fahendrenao sy ny fahalalanao ka niteny anakampo ianao hoe: Izaho no izy, tsy misy afa-tsy izaho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa nitoky tamin’ny hafetsenao ratsy ianao, nanao hoe: «Tsy misy mahita ahy!» Ny fahendrena amam-pahaizanao, dia izany no nanodòka anao raha ianao nanao anakampo hoe: «Izaho ity, dia izaho irery ihany!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natoky ireo ody ratsy fanefitrao ianao, ka nanao hoe: «Tsy misy mahita ahy.» Nefa ny fahendrena sy ny fahalalana nihamboanao hananana ihany no nampivadika atidoha anao, ka nampiteny anao anakampo hoe: «Izaho dia tsy manan-tsahala!»
Malagasy Bible 1865
Fa nitoky tamin'ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa nitoky tamin’ny faharatsianao ianao ka niteny hoe: Tsy misy mahita ahy! Nampivily anao ny fahendrenao sy ny fahalalanao ka niteny anakampo ianao hoe: Izaho no izy, tsy misy afa-tsy izaho.
malagasy
Fa nitoky tamin'ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.[Na: hafetsenao]