Isaiah 47:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanjo hanjo anao ny fahoriana nefa tsy ho fantatrao izay fiposahany; hahazo anao ny loza nefa tsy ho hainao sakanana; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana nefa tsy hampoizinao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indro, ho tonga aminao ny loza, tsy azonao sakanana; hianjera aminao ny antambo, tsy azonao ahodivitra, ary hanjò anao ny faharavana tampoka, tsy nampoizinao velively akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa indro hihatra aminao ny loza izay tsy hainao avily hidify anao; indro hiantonta aminao ny fahavoazana izay tsy azonao iarovan-tena; eny, hihatra tampoka aminao ny faharavana, dia faharavana izay tsy ampoizinao.
Malagasy Bible 1865
Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanjo hanjo anao ny fahoriana nefa tsy ho fantatrao izay fiposahany; hahazo anao ny loza nefa tsy ho hainao sakanana; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana nefa tsy hampoizinao.
malagasy
Kanjo hanjo anao ny fahoriana, nefa tsy ho fantatrao izay fanafany; Ary hahazo anao ny loza, nefa tsy ho hainao ny fanàlany; eny, hanjo anao tampoka ny fandringanana izay tsy ampoizinao.[Na: iposahany]