Isaiah 47:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Sasatra noho ny hamaroan’ny hevitrao ianao; ankehitriny, aoka hitsangana ka hamonjy anao ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa nisasatra tamin’ny fanontaniana betsaka ianao; ka aoka handroso hamonjy anao ireo izy ireo, izay mpandrefy ny lanitra, sy mpandinika ny kintana, izay manambara, isaky ny tsinam-bolana, ny zavatra tsy maintsy ho tonga aminao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vizana manontany ireo mpanandro ianao. Aoka hiseho sy ho avy hamonjy anao ireo mpamariparitra ny lanitra sy ireo mpandinindinika ny kintana ka mampahafantatra isaky ny tsinam-bolana izay zavatra tsy maintsy ho tonga aminao!
Malagasy Bible 1865
Sasatra noho ny hamaroan'ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Sasatra noho ny hamaroan’ny hevitrao ianao; ankehitriny, aoka hitsangana ka hamonjy anao ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao.
malagasy
Sasatra noho ny hamaroan'ny fisainanao ianao; aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao, dia ireo mpanambara isaky ny tsinam-bolana izay zavatra ho tonga aminao. [Heb. mpizarazara] [Na: Aoka hitsangana ankehitriny ireo mpamantatra ny lanitra sy mpandinika ny kintana ireo hamonjy anao amin'izay hanjo anao]