Isaiah 47:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Indro fa ho tahaka ny mololo ireo: Ho main’ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin’ny herin’ny lelafo; tsy misy vainafo hamindroana akory; eny, fa na afo hitaninana aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Indreo izy, fa tonga tahaka ny vodivary; hodoran’ny afo, nefa tsy hahavonjy ny ainy, amin’ny herin’ny lelafo; fa tsy mba vain’afo hamindroana akory ity na afo hitaninana eo anoloany!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ho toy ny mololo no hanjo ireo mpanandro ireo: ho main’ny afo izy ka tsy hahavonjy tena ho afaka amin’ny herin’izany lelafo izany; fa tsy ho vainafo kely hanendasa-mofo izany na ho fatan’afo tsotra natao hamindroana!
Malagasy Bible 1865
Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main'ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin'ny herin'ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Indro fa ho tahaka ny mololo ireo: Ho main’ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin’ny herin’ny lelafo; tsy misy vainafo hamindroana akory; eny, fa na afo hitaninana aza.
malagasy
Indro, fa ho tahaka ny vodivary ireo; ho main'ny afo izy ka tsy hahavonjy ny tenany amin'ny herin'ny lelafo akory; tsy misy vainafo hamindroana, na afo hitaninana aza.Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.