Isaiah 47:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ho toy izany no hanjo ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin’ny fonenany avy izy ka tsy hisy hahavonjy anao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ho toy izany aminao ireo nanasaranao tena, ireo nifampiraharahanao, hatramin’ny hatanoranao: samy mipariaka amin’izay alehany avy izy, fa tsy misy hamonjy anao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izany, ry Babilôna, no hanjo ireo mpimasinao izay efa nisasaranao nanontaniana hatry ny fony ianao mbola tanora. Samy handeha amin’izay halehany izy, fa tsy hisy na dia iray aza hahavonjy anao.
Malagasy Bible 1865
Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ho toy izany no hanjo ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin’ny fonenany avy izy ka tsy hisy hahavonjy anao!
malagasy
Ho toy izany aminao ireo efa nisasaranao ireo, dia ireo nifampivarotra taminao hatry ny fony ianao mbola kely; samy hipariaka mandositra ho any amin'ny fonenany avy izy, ka tsy hisy hahavonjy anao.