Isaiah 47:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tezitra tamin’ny oloko Aho, navelako holotoina ny lovako ka natolotro ho eo an-tananao izy; tsy mba namindranao fo izy, fa na ny antitra aza dia nasianao zioga tena mavesatra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa tezitra tamin’ny vahoakako Aho, ka navelako hozimbaina ny lovako, dia natolotro ho eo an-tananao izy. Tsy nanananao antra izy; nasianao jioga mavesatra mbamin’ny antitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tezitra mafy tamin’ny vahoakako Aho, ka navelako hovetavetaina ilay anjara fananako. Natolotro teo an-tananao izy, kanefa tsy mba namindranao fo fa nampitondrainao zioga mavesatra hatramin’ny be antitra aza.
Malagasy Bible 1865
Tezitra tamin'ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tezitra tamin’ny oloko Aho, navelako holotoina ny lovako ka natolotro ho eo an-tananao izy; tsy mba namindranao fo izy, fa na ny antitra aza dia nasianao zioga tena mavesatra.
malagasy
Tezitra tamin'ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.