Isaiah 47:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Kanjo hanjo anao tampoka ireto zavatra roa ireto, ao anatin’ny indray andro monja, dia ny fahafoanan’anaka sy ny maha mpitondratena; hotanterahina aminao avokoa izany na dia maro aza ny sikidinao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kanjo ireo zava-droa ireo ho indray mianjera aminao, tampoka, indray andro monja, dia ny fahafoanana anaka, sy ny fananoantena, ho tonga aminao tanteraka an-tsakany sy an-davany izany, na dia eo aza ny hamaroan’ny odinao, na dia eo aza ny herin’ny fankatoavanao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Amin’ny indray andro monja dia hihatra tampoka aminao ireto loza roa ireto: ho faty zanaka ianao sady hanjary mpitondratena. Eny, hihatra aminao avokoa ireo, na dia maro aza ny ody fampiàsanao ary na dia zavontany aza ny fankatòvanao.
Malagasy Bible 1865
Kanjo hanjo anao tampoka amin'ny indray andro monja ireto zavatra roa ireto, dia ny fahafoanan'anaka sy ny fananoan-tena; Hotanterahina aminao avokoa izany, na dia maro aza ny fankatovanao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Kanjo hanjo anao tampoka ireto zavatra roa ireto, ao anatin’ny indray andro monja, dia ny fahafoanan’anaka sy ny maha mpitondratena; hotanterahina aminao avokoa izany na dia maro aza ny sikidinao, ary na dia be dia be aza ny odinao.
malagasy