Isaiah 48:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihainoa, ry taranak’i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin’ny anaran’Israely sy avy amin’ny loharanon’i Joda, ianareo izay mianiana amin’ny anaran’NY TOMPO ary mahatsiaro ny anaran’Andriamanitry ny Israely, kanefa tsy araka ny marina na araka ny hitsiny!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihainoa izao, ry taranak’i Jakôba, ianareo izay antsoina amin’ny anaran’i Israely; nateraky ny loharanon’i Jodà, mianiana amin’ny Anaran’i Iaveh, ary mankalaza ny Andriamanitr’i Israely, nefa tsy amin’ny fo mahitsy na araka ny hitsim-po.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Henoy izao, ry firenen’i Jakôba, dia ianareo izay mitonon-tena ho Israely sy taranaka nipoitra avy tamin’i Joda, ianareo izay mianiana amin’ny anaran’ny TOMPO ka miantso ny anaran’Andriamanitr’i Israely nefa tsy araka ny fahamarinana sy ny fahitsiana.
Malagasy Bible 1865
Mihainoa, ry taranak'i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin'ny anaran'Isiraely sy avy amin'ny loharanon'i Joda, ianareo izay mianiana amin'ny anaran'i Jehovah ary mankalaza ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihainoa, ry taranak’i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin’ny anaran’Israely sy avy amin’ny loharanon’i Joda, ianareo izay mianiana amin’ny anaran’NY TOMPO ary mahatsiaro ny anaran’Andriamanitry ny Israely, kanefa tsy araka ny marina na araka ny hitsiny!
malagasy
[Fampahatsiarovana ny lasa, sy filazana ny ho avy, indrindra fa ny hanafahana ny Isiraely avy any Babylona] Mihainoa, ry taranak'i Jakoba, dia ianareo izay antsoina amin'ny anaran'Isiraely sy avy amin'ny loharanon'i Joda, ianareo izay mianiana amin'ny anaran'i Jehovah ary mankalaza ny anaran'Andriamanitry ny Isiraely, kanefa tsy araka ny marina, na araka ny hitsiny;