Isaiah 48:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mivoria ianareo rehetra ka mihainoa! Iza amin’ireny moa no mba efa nanambara izany? Ilay tian’NY TOMPO no hahefa ny sitrapony amin’i Babilona ary ho amin’ny Kaldeana ny sandriny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza tamin’ireny no mba efa nilaza izany? Ilay tian’i Iaveh dia hanatanteraka ny sitrapony amin’i Babela, ary ny sandriny hamely ny Kaldeanina. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mivoria ka mihainoa ianareo rehetra: Ilay tiako no hanatanteraka izay sitrapoko amin’i Babilôna sy amin’ny taranaky ny Kaldeanina. Kanefa iza taminareo moa no nanambara izany? Tsy misy.
Malagasy Bible 1865
Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin'ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian'i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin'i Babylona ary ny sandriny ho amin'ny Kaldeana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mivoria ianareo rehetra ka mihainoa! Iza amin’ireny moa no mba efa nanambara izany? Ilay tian’NY TOMPO no hahefa ny sitrapony amin’i Babilona ary ho amin’ny Kaldeana ny sandriny.
malagasy
Mivoria ianareo rehetra, ka mihainoa: Iza moa amin'ireny no mba efa nanambara izany; ilay tian'i Jehovah no hahefa ny sitrapony amin'i Babylona ary ny sandriny ho amin'ny Kaldeana.