Isaiah 48:16 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Manatòna Ahy ianareo ka mihainoa! Hatramin’ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ireo zavatra ireo dia teo Aho. Ary ankehitriny, NY TOMPO Andriamanitra no naniraka Ahy miaraka amin’ny Fanahiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manatòna Ahy ianareo, ka henoy izao: Hatramin’ny voalohany, tsy niteny an-takontakona Aho; hatramin’ny ahatongavan’ireo zavatra ireo dia eo Aho; - Ary ankehitriny i Iaveh, Tompo, maniraka ahy omban’ny Fanahiny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Manatòna Ahy ianareo ka henoy izao: Efa hatrany am-boalohany no nitenenako an-karihary; ary teo Aho hatramin’ny vaninandro izay nisehoan’izany zavatra izany.» (Ankehitriny dia Ilay Tompo ANDRIANANAHARY mihitsy no naniraka ahy sy nanome ahy ny Fanahiny.)
Malagasy Bible 1865
Manatona Ahy ianareo, ka mihainoa; hatramin'ny taloha no efa tsy nitenenako tamin'ny mangingina, hatry ny fony vao nisian'ireo dia teo Aho, ary ankehitriny Jehovah Tompo no naniraka Ahy sy ny Fanahiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Manatòna Ahy ianareo ka mihainoa! Hatramin’ny taloha no efa tsy nitenenako tamin’ny mangingina, hatry ny fony vao nisian’ireo zavatra ireo dia teo Aho. Ary ankehitriny, NY TOMPO Andriamanitra no naniraka Ahy miaraka amin’ny Fanahiny.
malagasy