Isaiah 48:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mivoaha hiala any Babilona; mandosira avy any amin’ny Kaldeana! Torio amin’ny feo mahafaly ary ambarao, aelezo hatrany amin’ny faran’ny tany ka lazao hoe: NY TOMPO efa nanavotra an’i Jakoba mpanompony!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira ny Kaldeanina, amin’ny hobin-kafaliana! Torio izany, ataovy antso avo koa, ampandreneso hatrany am-paran’ny tany! Lazao hoe: I Iaveh efa nanavotra an’i Jakôba mpanompony!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mivoaha avy ao Babilôna, mandosira avy ao Kaldea! Amin’ny horakora-pifaliana no anambarao izao vaovao mahafaly izao, hatrany amin’ny faran’ny tany; torio ary aelezo izany, ka lazao hoe: «Ny TOMPO no nanavotra ny firenen’i Jakôba mpanompony!»
Malagasy Bible 1865
Mivoaha hiala any Babylona; miezaha avy any amin'ny Kaldeana; torio amin'ny feo mahafaly, ary ambarao, ka aelezo hatrany amin'ny faran'ny tany, lazao hoe: Jehovah efa nanavotra an'i Jakoba mpanompony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mivoaha hiala any Babilona; mandosira avy any amin’ny Kaldeana! Torio amin’ny feo mahafaly ary ambarao, aelezo hatrany amin’ny faran’ny tany ka lazao hoe: NY TOMPO efa nanavotra an’i Jakoba mpanompony!
malagasy