Isaiah 48:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nangetaheta ireo tamin’ny nitondrany azy tany an-tany efitra; nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ny vatolampy Izy; eny, nampitresaka ny vatolampy Izy dia nigororoana ny rano.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy mangetaheta ireo any amin’ny efitra nitondrany azy; fa mampiboiboika rano avy amin’ny vatolampy Izy ho an’ireo; mampitresaka ny vatolampy Izy, dia migororoana ny rano. Tsy misy fiadanana ho an’ny ratsy fanahy, hoy i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tsy nangetaheta ireo olony tamin’ny nitondrany azy tany an-taniefitra. Nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ny vatolampy Izy: eny, novakîny ny vatolampy ka nandriaka ny rano.
Malagasy Bible 1865
Ary tsy nangetaheta ireo tamin'ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin'ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nangetaheta ireo tamin’ny nitondrany azy tany an-tany efitra; nampiboiboika rano ho azy avy tamin’ny vatolampy Izy; eny, nampitresaka ny vatolampy Izy dia nigororoana ny rano.
malagasy
Ary tsy nangetaheta ireo tamin'ny nitondrany azy tany an-efitra; Nampiboiboika rano ho azy avy tamin'ny vatolampy Izy, Eny, nampitresaka ny vatolampy Izy, ka dia nigororoana ny rano.Tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy, hoy Jehovah.