Isaiah 48:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Vao izao no namoronana azy fa tsy hatramin’ny fahiny dia tsy mbola nandre azy ianao talohan’ny andro androany, fandrao lazainao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Vao izao no noarîna izany, fa tsy taloha; hatramin’izao anio izao, tsy mbola nandre izany ianao, fandrao lazainao hoe: «Indro fa efa fantatro ihany izany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao izao ankehitriny izao fa tsy hatry ny ela no namoronako ireo zava-baovao ireo, Talohan’ny androany dia tsy mbola renareo izany sao holazainareo hoe: «Efa fantatray izany!»
Malagasy Bible 1865
Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin'ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan'ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Vao izao no namoronana azy fa tsy hatramin’ny fahiny dia tsy mbola nandre azy ianao talohan’ny andro androany, fandrao lazainao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany!
malagasy
Vao izao no namoronana azy, fa tsy hatramin'ny fahiny, ary tsy mbola nandre azy ianao talohan'ny andro anio, fandrao ianao hanao hoe: Indro, ny efa fantatro ihany izany.