Isaiah 49:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihainoa Ahy, ry nosy! Atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra! NY TOMPO efa niantso Ahy hatrany am-bohoka, hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’Ineny no efa notsarovany ny anarako.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihainoa ahy, ry Nosy; mitandrema ianareo, ry firenena lavitra! I Iaveh efa niantso ahy hatrany am-bohoka, efa nilaza ampahibemaso ny anarako, hatrany an-kibon’i neny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mihainoa ahy ianareo, ry mponina any amin’ny nosy any; ary atongilano ny sofinareo, ry firenena any lavitra. Ny TOMPO no niantso ahy hatrany am-bohòka; vao teraka aho, dia nantsoiny tamin’ny anarako.
Malagasy Bible 1865
Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon'ineny no efa nankalazainy ny anarako.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihainoa Ahy, ry nosy! Atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra! NY TOMPO efa niantso Ahy hatrany am-bohoka, hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon’Ineny no efa notsarovany ny anarako.
malagasy
[Ny amin'ny Mpanompon'i Jehovah, Izay voatendry hamory sy hamonjy ny Isiraely sy ny firenena rehetra] Mihainoa Ahy, ry nosy, ary atongilano ny sofinareo, ry firenena lavitra; Jehovah efa niantso Ahy hatrany am-bohoka; Hatry ny fony Aho mbola tao an-kibon'ineny no efa nankalazainy ny anarako.