Isaiah 49:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mihobia, ry lanitra! Miravoravoa, ry tany! Velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa NY TOMPO efa nampionona ny olony, mamindra fo amin’ny olony mahantra Izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mihobia an-kafaliana, ry lanitra; miontàna, ry tany! Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra! Fa i Iaveh efa nampionona ny vahoakany, sy nangoraka ireo izay nampahorîna!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mifalia, ry lanitra, miravoravoa, ry tany; manaova horakora-pifaliana, ry tendrombohitra, fa ny TOMPO efa nampahery ny vahoakany ary naneho indrafo tamin’ny mahantrany.
Malagasy Bible 1865
Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin'ny olony mahantra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mihobia, ry lanitra! Miravoravoa, ry tany! Velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa NY TOMPO efa nampionona ny olony, mamindra fo amin’ny olony mahantra Izy.
malagasy
Mihobia, ry lanitra! Ary mifalia, ry tany! Ka velomy ny hoby, ry tendrombohitra! Fa Jehovah efa nampionona ny olony sy mamindra fo amin'ny olony mahantra.