Isaiah 49:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Atopazy manodidina ny masonao ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao. Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO, dia hihaingoanao tahaka ny firavaka tokoa ireo rehetra ireo. Hiravahanao tahaka ny fanaon’ny ampakarina izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Atopazo manodidina ny masonao, ka jereo, fa mivory avokoa izy ireo, manatona anao izy ireo. Velona Aho, - teny marin’i Iaveh, - dia hihaingoanao, toy ny firavaka, ireo rehetra ireo; ary hisikinanao toy ny sikin’ny ampakarina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Atopazo ny masonao hijery manodidina, ny zanakao rehetra dia mivory mankeo aminao. Velona Aho, hoy ny teny hentitry ny TOMPO, ka mianiana fa izy rehetra dia hataonao fihaingo toy ny firavaka ary hataonao fietra toy ny fehikibon’ny ampakarina.
Malagasy Bible 1865
Atopazy manodidina ny masonao, ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao; raha velona koa Aho, hoy Jehovah, Ireo rehetra ireo dia hihaingoanao tokoa tahaka ny firavaka sy hiravahanao tahaka ny fanaon'ny ampakarina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Atopazy manodidina ny masonao ka mijere; ireo rehetra ireo dia mivory ka mankeo aminao. Raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO, dia hihaingoanao tahaka ny firavaka tokoa ireo rehetra ireo. Hiravahanao tahaka ny fanaon’ny ampakarina izany.
malagasy