Isaiah 49:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hiteny anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Izaho anefa tsy mba nanan-janaka sady momba. Babo sady noroahina aho, koa iza no nanabe ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ianao kosa hanao anakampo hoe: «Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa tsy nanan-janaka aho, momba aho, noroahina sy nisaorana aho; ary ireto kosa, iza no nitaiza azy? Indro Aho nitoetra irery; ka taiza ireto?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ianao kosa, ry Tsiôna, dia hanontany tena hoe: «Iza no nanome ahy ireto zanaka ireto? Maty anaka aho teo ary tsy mba nanantena ny hanan-janaka intsony, sady natao sesitany sy ankilabao. Koa iza no nahalehibe an’ireto? Indro aho navela hanirery, fa mba avy taiza kosa ireto?»
Malagasy Bible 1865
Dia hanao anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Fa efa maty ny zanako, ary nitsaha-jaza aho. Babo aho sady noroahina, koa iza no namelona ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hiteny anakampo ianao hoe: Iza no niteraka ireto ho ahy? Izaho anefa tsy mba nanan-janaka sady momba. Babo sady noroahina aho, koa iza no nanabe ireto? Indro, nilaozana ho irery aho, fa taiza kosa moa ireto?
malagasy