Isaiah 49:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa izao no lazain’NY TOMPO: Na dia ny babon’ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon’ny mpampihorohoro; fa Izaho no hiady amin’izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: Halaina aminy na ny sambotry ny mahery aza, ary ho afaka aminy ny babon’ny mpanao an-keriny. Fa ny mpandrafy anao, dia Izaho no hiady aminy, ny zanakao, dia Izaho no hamonjy azy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, hoy ny famalin’ny TOMPO, na dia ny babon’ny miaramila mahery aza dia halaiko aminy; ary hosarihiko amin’ny olon-doza ny rembiny. Fa Izaho mihitsy, ry Jerosalema, no hiady amin’izay miady aminao sady hanafaka ny zanakao.
Malagasy Bible 1865
Nefa izao no lazain'i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon'ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa izao no lazain’NY TOMPO: Na dia ny babon’ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon’ny mpampihorohoro; fa Izaho no hiady amin’izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.
malagasy
Nefa izao no lazain'i Jehovah: Na dia ny sambotry ny mahery aza dia halaina ihany, ary ho afaka ny babon'ny mpandrombaka; fa Izaho no hiady amin'izay miady aminao, ary Izaho no hamonjy ny zanakao.Sady hampihinaniko ny nofon'ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon'ny ran'ny tenany ihany ireny, toy ny amin'ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.