Isaiah 49:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hampihinaniko ny nofon’ny tenany ihany izay mampahory anao ary ho mamon’ny ran’ny tenany ihany ireny, toy ny amin’ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho TOMPO no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’i Jakoba no Mpanavotra anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataoko mihinana ny nofony ny mpampahory anao; hidoroka amin’ny ran’ny tenany, hoatra ny amin’ny divay vaovao; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Iaveh no Mpamonjy anao, ary ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao!
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo olona mpampahory anao kosa hampihinaniko ny nofon’ny tenany ihany ary hataoko mamon’ny ran’ny tenany ihany toy ny mimamo amin’ny divay vaovao. Amin’izay dia ho fantatry ny olona rehetra fa Izaho TOMPO no mpamonjy anao, ary Izaho ilay Maherin’i Jakôba no mpanavotra anao.»
Malagasy Bible 1865
Sady hampihinaniko ny nofon'ny tenany ihany izay mampahory anao, ary ho leon'ny ran'ny tenany ihany ireny, toy ny amin'ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho Jehovah no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin'i Jakoba no Mpanavotra anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hampihinaniko ny nofon’ny tenany ihany izay mampahory anao ary ho mamon’ny ran’ny tenany ihany ireny, toy ny amin’ny ranom-boaloboka; dia ho fantatry ny nofo rehetra fa Izaho TOMPO no Mpamonjy anao, ary Ilay Maherin’i Jakoba no Mpanavotra anao.
malagasy