Isaiah 49:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ankehitriny dia hoy NY TOMPO izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao Aminy indray sy hamoriana ny Israely ho ao Aminy; fa mahazo voninahitra eo imason’NY TOMPO Aho, ary Andriamanitro no heriko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ankehitriny miteny i Iaveh, izay namorona ahy hatrany am-bohoka mba ho mpanompony, hampody an’i Jakôba aminy indray, ary mba ho tafakambana aminy indray i Israely. - Ary mahazo voninahitra eo imason’i Iaveh aho, ary Andriamanitro no heriko. -
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ankehitriny kosa niteny tamiko ny TOMPO, Izay namorona ahy hatrany am-bohòka mba hahatonga ahy ho mpanompony ka hampodiako aminy ny taranak’i Jakôba sy hamoriako ny vahoaka Israely ho eo anilany; fa mahazo voninahitra eo imason’ny TOMPO aho, ary Izy Andriamanitro no heriko.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny, hoy Jehovah, Izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao aminy indray sy hamoriana ny Isiraely ho ao aminy, (Fa mahazo voninahitra eo imason'i Jehovah Aho, Ary Andriamanitro no heriko),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ankehitriny dia hoy NY TOMPO izay namorona Ahy hatrany am-bohoka ho Mpanompony, hampodiana ny Jakoba ho ao Aminy indray sy hamoriana ny Israely ho ao Aminy; fa mahazo voninahitra eo imason’NY TOMPO Aho, ary Andriamanitro no heriko.
malagasy