Isaiah 49:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’i Jakoba Ianao ary hampody ny Israely sisa voaaro; fa hataoko ho fanazavana ny Jentilisa koa Ianao mba hitondra ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hoy Izy: «Mbola zavatra kely foana ny maha-Mpanompoko anao, hanangana ny firenen’i Jakôba indray, sy hampody ireo sisa voatahiry amin’i Israely; fa hatsangako ho fahazavan’ny firenena ianao, mba hitaran’ny famonjeko hatramin’ny faran’ny tany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nitenenany aho ka nataony hoe: «Tsy ampy raha tonga mpanompoko fotsiny ianao mba hampitraka ireo foko taranak’i Jakôba sy hampody ny sisa velona amin’ny vahoaka Israely. Fa omeko ho fanazavana ho an’ny firenen-kafa koa ianao mba hitaran’ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.»
Malagasy Bible 1865
Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen’i Jakoba Ianao ary hampody ny Israely sisa voaaro; fa hataoko ho fanazavana ny Jentilisa* koa Ianao mba hitondra ny famonjeko hatrany amin’ny faran’ny tany.
malagasy
Eny, hoy Izy: Mbola zavatra kely foana, raha tonga Mpanompoko hanandratra ny firenen'i Jakoba Hianao sy hampody ny Isiraely sisa voaro; Fa homeko ho fanazavana ny jentilisa koa Hianao, mba ho famonjeko hatrany amin'ny faran'ny tany.