Isaiah 49:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO, Mpanavotra ny Israely, dia ny Iray Masiny, amin’Ilay hamavoin’ny olona sy halan’ny firenena ka tonga mpanompon’ny mpanapaka: Hahita ka hitsangana ny mpanjaka, ary ny mpanapaka koa dia hiankohoka noho ny amin’NY TOMPO izay mahatoky, dia ny Iray Masin’ny Israely izay nifidy Anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh, ilay Mpanavotra sy ilay Masin’i Israely; amin’ilay esoina sy tevatevain’ny vahoaka, mpanompon’ny mpanapaka masiaka: «Hahita anao ny mpanjaka, ka hitsangana; ary ny mpanapaka, ka hiankohoka, noho ny amin’i Iaveh izay mahatoky, sy ilay Masin’i Israely izay nifidy anao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO Mpanavotra sady Masin’i Israely, dia miteny aminao, ry voaeson’ny olona sy ankahalain’ny firenen-kafa, ary andevozin’ireo mpanjakazaka; ka izao no lazainy aminao: «Raha vao mahita anao ny mpanjaka dia hitsangana hiala amin’ny sezafiandrianany; ary hiankohoka ny manampahefana, raha vao mahatazana anao. Izany no hanajany Ahy TOMPO mahatoky, dia Ilay Masin’i Israely efa nifidy anao.»
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin'Ilay hamavoin'ny olona sy halan'ny firenena ka tonga mpanompon'ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin'i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin'ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO, Mpanavotra ny Israely, dia ny Iray Masiny, amin’Ilay hamavoin’ny olona sy halan’ny firenena ka tonga mpanompon’ny mpanapaka: Hahita ka hitsangana ny mpanjaka, ary ny mpanapaka koa dia hiankohoka noho ny amin’NY TOMPO izay mahatoky, dia ny Iray Masin’ny Israely izay nifidy Anao.
malagasy