Isaiah 49:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no lazain’NY TOMPO: Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko Anao; dia hiaro Anao Aho ka hanao Anao ho fanekena ho an’ny olona mba hanangana ny tany indray sy hizara ny fananana izay efa rava;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no lazain’i Iaveh: «Mihaino anao amin’ny andro fankasitrahana Aho, ary mamonjy anao amin’ny andro famonjena; niaro anao Aho, ary nanangana anao ho faneken’ny firenena, hanandratra indray ny tany, hizara ny loza nosimbana;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao koa no lazain’ny TOMPO: «Tamin’ny fotoana mety dia namaly ny antsonao Aho, ary tamin’ny androm-pamonjena dia tonga namonjy anao Aho. Nokolokoloiko ianao mba hataoko ho antoky ny fanekempihavanako amin’ny olona. Noho izany, dia hanarina ny tany Aho sy hizara indray ny lova efa rava;
Malagasy Bible 1865
Izao no lazain'i Jehovah: Tamin'ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao. Ary tamin'ny andro famonjena no namonjeko Anao; Dia hiaro Anao Aho ka hanome Anao ho fanekena ho an'ny olona, mba hanangana ny tany indray sy hampandova ny lova izay efa rava
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no lazain’NY TOMPO: Tamin’ny taona fankasitrahana no nihainoako Anao ary tamin’ny andro famonjena no namonjeko Anao; dia hiaro Anao Aho ka hanao Anao ho fanekena ho an’ny olona mba hanangana ny tany indray sy hizara ny fananana izay efa rava;
malagasy