Isaiah 5:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; nefa tsy mba jereny ny asan’NY TOMPO, ary tsy mba hitany ny asan’ny tanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Harpa amam-baliha sy langoroany, ary sodina aman-divay, dia izay no fanasan’izy ireo; fa ny asan’i Iaveh tsy asiany fiheverana, ary ny ataon’ny tanany tsy jereny akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Miala liana amin’ny feom-baliha sy lokanga ombàn’ny ampongatapaka sy sodina ireo; fa izay ataon’ny TOMPO tsy ahoany ary ny asa vitany tsy jereny akory!
Malagasy Bible 1865
Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan'i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon'ny tanany tsy mba hitany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; nefa tsy mba jereny ny asan’NY TOMPO, ary tsy mba hitany ny asan’ny tanany.
malagasy
Ary ny lokanga sy ny valiha, ny ampongatapaka sy ny sodina ary ny divay no foto-panasany; Fa ny asan'i Jehovah tsy mba jereny, Ary ny ataon'ny tanany tsy mba hitany.