Isaiah 5:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Vokatr’izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsy fahalalany; ho mosarena ny olona ambony ary ho mainan’ny hetaheta ny valalabemandry.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany ny vahoakako ho lasan-ko babo, tsy manampò izany akory; ny andriany ho zary andian’olo-noana, ary ny valalabemandry aminy ho main’ny hetaheta.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Noho izany, hoy ny Tompo, dia hoentin-ko babo ny vahoakako, satria tsy mahalala na inona na inona; ho fatin’ny mosary ny olomanga eo aminy ary ho fatin-ketaheta ny sarambabeny.»
Malagasy Bible 1865
Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho main'ny hetaheta.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Vokatr’izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsy fahalalany; ho mosarena ny olona ambony ary ho mainan’ny hetaheta ny valalabemandry.
malagasy
Ary noho izany dia ho lasan-ko babo ny oloko noho ny tsi-fahalalany, Ary ny olona ambony ho mosarena, Ary ny valalabemandry ho main'ny hetaheta.