Isaiah 5:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa izany no mampitanatana vava ny fitoeran’ny maty hanao teli-moka an’i Jerosalema; any no hivarinan’ny olo-manankajany sy ny valalabemandriny ary ny tabatabany mbamin’ny fifaliany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa dia mitatra ny Seoly, ka manadanadana tsy anerany ny vavany; mivarina ao ny reharehan’i Siôna, mbamin’ny be sy ny maro aminy izay mihahohaho sy mifaly.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nitanatana vava izaitsizy ny fonenan’ny maty sady nanitatra ny tendany hanao telimoka azy; any no hivarinan’ny olomanga sy ny sarambabem-bahoakan’i Jerosalema miaraka amin’ny tabatabam-pifaliany.
Malagasy Bible 1865
Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita Hanao teli-moka an'i Jerosalema; Ary any no hivarinan'ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin'izay mifalifaly ao aminy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa izany no mampitanatana vava ny fitoeran’ny maty* hanao teli-moka an’i Jerosalema; any no hivarinan’ny olo-manankajany sy ny valalabemandriny ary ny tabatabany mbamin’ny fifaliany.
malagasy
Koa izany no mampitanatana vava ny fiainan-tsi-hita Hanao teli-moka an'i Jerosalema; Ary any no hivarinan'ny voninahiny sy ny fihahohahony ary ny tabatabany mbamin'izay mifalifaly ao aminy;[He. Sheola][Heb. azy]