Isaiah 5:17 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hiraoka ahitra toy ny eny amin’ny tany fiandrasana azy ihany ny zanak’ondry, ary any an-tany foana no hipetrahan’ny ondry matavy ka mpirenireny no hiandry ondry ao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hisy ondry hiraoka ahitra, toy ny eo amin’ny fiandrasana azy, sy olon-kafa handevona ny sahan’ny mpanan-karena efa voasimba.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny amin’ny tanàna rava eny no hiraofan’ny zanak’ondry toy ny any amin’ny tany fiandrasana azy; eny koa ny zanak’osy afahy no hitady ny sakafony.
Malagasy Bible 1865
Ary ny zanak'ondry hikania toy ny eny amin'ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan'ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hiraoka ahitra toy ny eny amin’ny tany fiandrasana azy ihany ny zanak’ondry, ary any an-tany foana no hipetrahan’ny ondry matavy ka mpirenireny no hiandry ondry ao.
malagasy
Ary ny zanak'ondry hikania toy ny eny amin'ny tany fiandrasana azy ihany; Ary ny tany foana izay nipetrahan'ny matavy, dia mpirenireny no hiandry ondry ao.