Isaiah 5:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
sady miteny hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany mba ho hitantsika! Ary aoka hanakaiky sy ho tanteraka izay kasain’ny Iray Masin’ny Israely ka ho fantatsika!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
izay manao hoe: «Aoka ho dodona izy, aoka hohafainganiny ny asany, hahitantsika azy! Aoka hihakely sy ho tanteraka ny didin’Ilay Masin’i Israely, ka hahafantarantsika!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy indrindra izy ireo hoe: «Aoka ho tanteraka haingana dia haingana izay hataon’ny TOMPO, mba hojerenay! Aoka ho tonga amin’ny fotoany ny fikasan’Ilay Masin’i Israely fa tianay ho fantatra!»
Malagasy Bible 1865
Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain'ny Iray Masin'ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
sady miteny hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany mba ho hitantsika! Ary aoka hanakaiky sy ho tanteraka izay kasain’ny Iray Masin’ny Israely ka ho fantatsika!
malagasy
Dia izay manao hoe: Aoka hohafainganiny sy hododonany ny asany, mba ho hitantsika, Ary aoka izay kasain'ny Iray Masin'ny Isiraely ho mby akaiky ka ho tanteraka, mba ho fantatsika!