Isaiah 5:24 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo sy toy ny fihalevonan’ny bozaka midedadeda no hahalovan’ny fotony sy hijofoan’ny voniny tahaka ny vovoka, satria efa nandà ny lalànan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izy sy nanamavo ny tenin’ny Iray Masin’ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho izany, toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo, sy toy ny fitelin’ny afo ny ahi-maina, ny fakany hanahaka zavatra lo; ary ny voniny hofaohiny toy ny vovoka; satria nanipaka ny lalàn’i Iavehn’ny tafika izy ireo, sy naniratsira ny tenin’Ilay Masin’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Noho izany, dia ho tahaka ny mololo voadoron’ny afo sy ho tahaka ny bozaka levonin’ny afo no hanjo azy. Ho lò avy any am-potony izy ka ho lasa vovoka ny voniny, satria nariany ny fampianarana naroson’ny TOMPOn’izao rehetra izao ary notsiratsirainy ny tenin’ilay Masin’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Koa toy ny fandevonan'ny lelafo ny mololo, ary toy ny fifitsaky ny bozaka midedadeda, dia toy izany no hahalovan'ny fakany sy hijofoan'ny voniny hanjary vovoka, satria efa nandà ny lalàn'i Jehovah, Tompon'ny maro izy Sy nanamavo ny tenin'ny Iray Masin'ny Isiraely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa toy ny fandevon’ny lelafo ny mololo sy toy ny fihalevonan’ny bozaka midedadeda no hahalovan’ny fotony sy hijofoan’ny voniny tahaka ny vovoka, satria efa nandà ny lalànan’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izy sy nanamavo ny tenin’ny Iray Masin’ny Israely.
malagasy