Isaiah 5:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hanangana faneva ho amin’ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso firenena iray avy any am-paran’ny tany; ary indro, avy haingana dia haingana izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Manangan-tsaina ho an’ireo firenena lavitra Izy; ary misiaka miantso azy ireo, avy any am-paran’ny tany. dia indreo tonga ireny, faingana sady mailaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Faneva famantarana no natsangan’ny TOMPO ho an’ny firenena iray any lavitra any; ka misioka ny Tompo mba hiantsoana azy avy any am-paran’ny tany. Indro izany firenena izany fa nilomay ka ho avy faingana dia faingana tokoa.
Malagasy Bible 1865
Ary hanangana faneva ho amin'ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran'ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hanangana faneva ho amin’ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso firenena iray avy any am-paran’ny tany; ary indro, avy haingana dia haingana izy.
malagasy
Ary hanangana faneva ho amin'ny firenena lavitra Izy sady hisiaka hiantso ny iray avy any am-paran'ny tany; Ary, indro, ho avy faingana dia faingana ireo; [Heb. mahery]