Isaiah 5:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny fierony dia tahaka ny fieron’ny liom-bavy; mierona tahaka ny liona tanora izy; eny, manerona izy ka mandrapaka ny remby, lasany izany ka tsy azo alaina intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fieron’ny liona, ny fierony; manerona izy toy ny liona tanora izay mitrerona sy misambotra ny rembiny; dia lasany izany ka tsy misy mahesotra izany aminy intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tahaka ny liom-bavy mierona no fandrenesana azy, eny, toy ny tigra mandrahona mafy ka mipaoka ny hazany sy mitondra azy, ary tsy misy maharombaka izany intsony.
Malagasy Bible 1865
Ny fierony dia tahaka ny fieron'ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny fierony dia tahaka ny fieron’ny liom-bavy; mierona tahaka ny liona tanora izy; eny, manerona izy ka mandrapaka ny remby, lasany izany ka tsy azo alaina intsony.
malagasy
Ny fierony dia tahaka ny fieron'ny liom-bavy, Ary mierona tahaka ny liona tanora izy; Eny, manerona izy ka mandrapaka ny toha, Dia lasany, ka tsy azo alaina intsony.Ary hirohondrohona aminy amin'izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin'ny rahona.