Isaiah 5:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hisy hirohondrohona aminy amin’izany andro izany, tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina; ary raha mijery ny tany ny olona dia indro haizina sy fahoriana; ary ny fahazavana dia hohamaizinin’ny rahona matevina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Amin’izany andro izany hisy rohondrohona hihatra amin’ny vahoaka, tahaka ny firohondrohon’ny ranomasina. Hijery ny tany ny olona ka indro haizina no eo! Tebiteby mafy sy mivelatra hanarona ny lanitry ny faritany ny haizina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Kanefa indray andro any, dia hisy varatra hiraondraona toy ny firohondrohon’ny ranomasina mba hamely io firenena io. Hijery izany tany izany ny olona ka tsy hahita afa-tsy haizim-pahoriana; fa hohamaizinin’ny zavona matevina ny fahazavan’ny andro.
Malagasy Bible 1865
Ary hirohondrohona aminy amin'izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin'ny rahona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary hirohondrohona aminy amin'izany andro izany izy Tahaka ny firohondrohon'ny ranomasina; Ary raha mijery ny tany ny olona, dia indro aizina sy fahoriana; Ary ny fahazavana hohamaizinin'ny rahona.