Isaiah 5:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hataoko simba tanteraka izy: Tsy hohetezana ny sampam-boalobony ary tsy hohevoina izy fa ho rakotry ny anjavidy sy ny tsilo. Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hataoko tany foana izy; ka tsy hohetezana na hasaina intsony; fa hanirian’ny hery aman-tsilo; ary handidy ny rahona aho, tsy handatsaka orana aminy intsony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hataoko tany lava volo ilay voaloboko ka tsy hisy hanety sy hiava azy intsony, fa tsilo sy songosongo no hitsiry eo; ary horarako mafy ny rahona tsy handatsaka ranonorana aminy.»
Malagasy Bible 1865
Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hataoko simba tanteraka izy: Tsy hohetezana ny sampam-boalobony ary tsy hohevoina izy fa ho rakotry ny anjavidy sy ny tsilo. Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy.
malagasy
Ary hataoko simba dia simba izy; Tsy hohetezana ny sakeli-boalobony, ary tsy hohevoina izy, Fa ho rakotry ny hery sy ny tsilo; Ary hodidiako ny rahona tsy hampilatsaka ranonorana aminy. [Heb. rahona matevina]