Isaiah 5:7 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa tanim-boalobok’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny taranak’Israely, ary ny lehilahy amin’i Joda no voly tiany. Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo indro, heloka be vava! Niandry fahamarinana Izy, kanjo indro, fitarainana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny taranak’i Israely, no tanimboalobok’i Iavehn’ny tafika, ary ny olona any Jodà, no voly nolalainy; hitsiny no nantenainy taminy, kanjo ra latsaka no niseho; ny fahamarinana no nantenainy, kanjo fitarainam-pahoriana no hita.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny taranak’i Israely no voaloboky ny TOMPO, dia ilay TOMPOn’izao rehetra izao, ary ny olona eto Joda no voly tiany indrindra. Fitandroana ny rariny no nantenain’ny TOMPO kanjo ny tsy rariny no teo; ary fahamarinana no nandrandrainy, kanjo kiakiam-pitarainana no teo.
Malagasy Bible 1865
Fa ny taranak'i Isiraely no tanim-boalobok'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ary ny lehilahy amin'ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa tanim-boalobok’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, ny taranak’Israely, ary ny lehilahy amin’i Joda no voly tiany. Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo indro, heloka be vava! Niandry fahamarinana Izy, kanjo indro, fitarainana!
malagasy
Fa ny taranak'i Isiraely no tanim-boalobok'i Jehovah, Tompon'ny maro, Ary ny lehilahy amin'ny Joda no voly tiany; Dia nanantena fitsarana marina Izy, kanjo fandatsahan-drà; Niandry fahamarinana Izy, kanjo, indro, fitarainana.[Na: fampahoriana]