Isaiah 5:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Lozanareo izay manampy trano amin’ny trano sady manampy saha amin’ny saha ambara-paha tsy hisy hitoeran’ny sasany intsony! Fa ianareo irery no monina eo amin’ny tany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Loza ho an’izay manampy trano amin’ny trano, sy manitatra saha amin’ny saha, mandra-paha-tsy misy manelanelana intsony, fa dia izy irery no honina eo afovoan’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Lozan’ireo olona mpangorona manangon-trano miampy trano sy mamory saha miampy saha, mandra-paha tsy hisy toerana ho an’ny hafa intsony, ka hahatonga azy ho toka-monina amin’ny tany!
Malagasy Bible 1865
Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin'ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran'ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin'ny tany ianareo!
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Lozanareo izay manampy trano amin’ny trano sady manampy saha amin’ny saha ambara-paha tsy hisy hitoeran’ny sasany intsony! Fa ianareo irery no monina eo amin’ny tany!
malagasy
Lozanareo izay mangorona trano lalandava Sady mampiharo vala ny saha amin'ny saha, Ambara-paha-tsy hisy hitoeran'ny sasany intsony, Mba ho tonga mponina manirery eo amin'ny tany ianareo!